Nanara-maso ny fizotry ny asa fanavaozana sy fanitarana ny UniPod, izay atao eo Tsimbazaza, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Toerana hampifandraisana an’ireo tanora, mpikaroka sy mpandraharaha, hahafahan’izy ireo mamolavola hevitra sy fikarohana mitondra vahaolana sy fanavaozana ny ivontoerana. Ho fampandrosoana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ihany koa.
Vitan’ny tetikasa Produir ny fanamboarana na fananganana ireo “Ouvrages vannés” eo Ankadiaivo sy Anosizato, “ouvrage de drainage” sy “têtes d’ouvrage” amin’ny “siphon” eo Ambohimangidy. Fitaovana entina misoroka ny tondradrano amin’ny fotoam-pahavaratra ireo.
Miisa 15 ireo fitakiana sendikaly ataon’ny Triade, voarakitra ao anaty boky. Efa tonga any amin’ny manam-pahefana mahefa izany boky izany. Ao anaty fihaonambe manaraka no hanaovana ny tatitra rehetra. Mikatsaka ny tombontsoan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra hatrany ny tanjona.




