Nitondra vahaolana momba ny herinaratra avy hatrany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitondra panneaux solaires miisa 1 092 izy ireo hanazavana ny tanàna. Ny 804 amin’ireo dia manana tanjaka 590W ary ny 288 kosa 720W.
Misy ihany koa ny fitaovana hafa miaraka aminy, toy ny vatoaratra, “onduleur”, “ordinateur portable”, “caméra de surveillance” ary “lampadaire”. Noraisin’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo ireo fitaovana ireo ary hotsinjaraina avy hatrany.
Hanampy amin’ny famatsiana herinaratra mahaleo tena sy hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana eny amin’ny Anjerimanontolo ireto fitaovana ireto. Samy hisitraka izany avokoa ireo Oniversite manerana ny Nosy.
Marihina fa efa nahazo ny anjarany ihany koa ny sekoly ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona. Nanantitrantitra ny tokony hikojakojana ny fitaovana ny minisitra mba hampateza izany sy hifandimbiasan’ny mpianatra mianatra eny.
Tatiana A




