Lehilahy iray 20 taona tratran’ny fitsaram-bahoaka tetsy amin’ny Rond-point Volahanta Anosibe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanolana ankizivavikely enin-taona izy no nisy nahita ka nosamborin’ny fokonolona. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy taorian’
izay ary nentina any amin’ny biraon’ny polisy Mahamasina.
Olona dimy namoy ny ainy vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpijery fampisehoana tany Soavina, Nosy varika, afakomaly. Taorian’ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Dadilove tany an-toerana, voatsindrona antsy ny roa tamin’ireo ary maty voatora-bato tany ivelan’ny tanàna ny roa hafa. Maro ny olona naratra. Olona iray tratran’ny fokonolona nanindrona antsy ireo namoy ny ainy ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ary maty ihany koa.
Olona roa voasambotry ny Polisim-pirenena tany Manakara noho ny raharaha fisolokiana amin’ny alalan’ny finday, ny 03 novambra 2025 lasa teo. Naharay hafatra milaza fa voasarika sy nahazo vola 20 000 000 Ar avy amin’ny Tosika fameno ny olona iray. Niantso ny laharana izy nefa ompa sy teny manafintohina no heno tao. Nampandrenesina ny polisy ary voasambotra ireo olona nisoloky.
Razana roa indray no hita tany amin’ny ranomasin’i Katsepy, fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrika Mitsinjo, faritra Boeny, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona teo amoron-dranomasin’i Katsepy ireo razana ireo. Hatramin’ny omaly, tafakatra 16 izany ireo razana hita. Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny tomponandraikitra sy ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io.




