Fondation Tany Meva : Hanomboka ny tetikasa Miaro sy Mikolo

Harovana sy harenina ny tontolo iainana any amin’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny Fondation Tany Meva sy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD).

Nampahafantarina, oma­ly, tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Miaro sy Mikolo, novolavolain’ny fikambanana Fondation Tany Meva ary vatsian’ny Antokon­draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) vola, mitentina 1 100 000 euros. Mitotaly 53 ny tetikasa hatao, ka ny 31 any amin’ny tapany avaratra, ahitana ny faritra Diana sy Sofia, ao amin’ny distrika Ambanja, Ambilobe, Antsiranana II ary Analalava. Miisa 22 kosa ny tetikasa atao any amin’ny tapany avaratra andrefana, faritra Boeny, any Bombetoka Belobaka sy An­karafantsika. Maharitra 3 taona ny tetikasa.
Mifantoka amin’ny fana­tsarana ny fikajiana ny tontolo mananaina sy ny fanatsarana ny velontenan’ny vondrona fiarahamonina ny tetikasa. Mitotaly 50 000 ha ny velaran-tany harovana sy harenina, ahitana ala honko sy ala voajanahary. Miisa 6 000 ny to­kantrano hahazo tombontsoa. Mahatratra 50 ny fikamba­nana vondrom-piarahamonina eny ifotony hatsangana. No­marihin’ny tale mpanatante­raky ny Tany Meva, Raso­anarivo Hariliva, fa “anisan’ny tanjona napetraka ny hampihenana hatrany amin’ny 20% ny fanimbana ny ala na ny doro ala sy tanety. Kendrena ny hampiasan’ny 75% ny tantsaha ny fomba fambolena manaja tontolo iainana, agroekolojika”.

Fifampitokisan’ny roa tonta
Nambaran’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Tany Meva, Andriamamonjiarison Noro, fa “manaporofo ny fahaiza-manaon’izy ireo sy ny fanehoana ny fitantanana mangaraharaha ny fahazoana an’ity tetikasa ity”. Nomari­hin’ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois, fa taratry ny fifampitokisana eo amin’ny Tany Meva sy ny AFD izao fiaraha-miasa izao, amin’ny lafiny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajana­hary eto Ma­da­gasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: