TSELATRA

Miantso ny tomponandraiki-panjakana ambony hijery ifotony ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Antanimora Atsimo ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana. Miaina anaty tebiteby tanteraka ny ankamaroan’ireo mponina ary mandry tsy lavo loha noho ny fisian’ireo dahalo mpangalatr’omby sady mamono olona.
Lehilahy iray tratra nanendaka bisikileta tetsy amin’ny Art malagasy Ambohitrimanjaka, ny atoandron’ny talata 4 novambra lasa teo. Nosakanany ny mpitondra bisikileta iray, nambanany antsy ary notereny hiala teo am­bony bisikileta. Nentiny ilay kodiaran-droa. Niantso vonjy tamin’ny polisy miasa tsy lavitra teo ny lasibatra. Natao ny fanenjehana, voasambotra ary nentina any amin’ny biraon’ny polisy nanokafana fanadihadiana ilay mpanendaka.
Nisitraka biraon’ny polisy vaovao ny ao amin’ny fokontany Betrandraky, distrika Farafangana, anatin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Manakaiky vahoaka hatrany, hanampy amin’ny famongorana ny asan-dahalo izay mampitaraina ny mponina ao anatin’ny fokontany manodidina io biraon’ny polisy vaovao io.
Sarety maherin’ny 50 isa nametrahana mazava alina “catadiopre” tao amin’ny tanànan’i Mampikony, nanomboka omaly maraina. Tanjon’ny zandary, izay nitarika ny hetsika, ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy hanampiana ny mpampiasa arabe hamantatra ny fisian’ ireo sarety avy any ambanivohitra mivezivezy mitondra vokatra.

Partager sur: