Orange Summer Challenge 2025 : Nibata ny laharana voalohany ny GazNika

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center, Soarano ny famaranana ny hetsika « Orange Summer Challenge 2025 ». Nampahafantarina nanditra izany ny tetikasa GazNika izay nandrombaka ny amboara. Tetikasa manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny fanodidina ny fako ho lasa entona fandrehitra azo handrohana sakafo no netin’ireo tanora 8 mianadahy. Mandeha amin’ny herinaratra sy ny angovo azo havaozina ny milina ka « azo harotsaka ao anatiny avokoa ireo karazana fako natoraly samihafa ka ny milina no hanodina izany ho lasa biogaz sy azo ampiasaina », hoy ny solontenan’ny ekipa, Sitraka, mpianatra eny amin’ny ENI, Fianarantsoa. Nambarany fa hahazoana entona 0,3m3 ny fako milanja 1 kilao izay azo handrahoana sakafo mandritra ny 2 ora.

Miara-dalana
« Manohana ny tanora manana tetikasa toy izao ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fandaharanasana RSE hampakarana ny fahaiza-manaony eo amin’ny lafiny fandraharahana sy ny haitao ara-kajy mirindra ary hanampiana azy hiatrika ny sehatry ny asa », hoy ny tompon’andraikitry ny Orange Digital Center, Rahajarizafy Rija Frédéric. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny « Startup4Good » izay nandraisana mpifaninana maherin’ny 400 ka ny 32 tamin’ireo no nisongadina ka nifantenena ireo tetikasa 4 tsara indrindra sy niady ny laharana voalohany. Nisitraka tohana avy amin’ny Orange Madagascar izy 8 mianadahy ary mbola nahazo lelavola 8 tapitrisa Ar ihany koa. Marihina fa mbola hisolo tenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena Orange Summer Challenge 2026 ny tetikasa GazNika.
Tsiahivina fa tompondaka maneran-tany tamin’ny taon-dasa ny ekipa malagasy tamin’ny alalan’ny tetikasa Plastikôo.

Henintsoa

Partager sur: