PLFI 2026: Hiakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana

Vinavinaina hanomboka amin’ny taona ho avy ny fampakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana rehefa tsy nisitraka izany nandritra ny telo taona.

Ampakarina 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana ho an’ny taona ho avy, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2026. « Rariny io satria efa ho telo taona izao no tsy niakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramia­rison Herinjatovo Aimé, omaly. Mazàna, hoy izy, 11 na 12% ny fiakarana teo aloha ka ara-drariny ity taha hatao ity. Vinavinaina hotanterahina amin’ny taona ho avy izany. Misy ny kajy hamaritana io fampakarana io izay mifanaraka amin’ny harinkarena faobe (PIB). Ny masokarama kosa dia 26% amin’ny PIB izay mbola anatin’ny fenitra ka azo hanatanterahana izany. Na izany, mbola hodinihina eny anivon’ny Antenimiera ny PLFI vao azo hampiharina.
Ankilany, hampakarina 200 000Ar ny tambiny ho an’ny trano fonenana ka any amin’ny volana jolay vao hihatra izany ka ireo izay manana tambiny ho an’ny trano fonenana ambany kosa no hisitraka ity fampakarana ity.

Fampandrosoana
Nivoitra tamin’ny fanambarana nataon’ny minisitra fa hiompana tanteraka amin’ny fanjakana tsara tantana, hamaly ny hetahetam-bahoaka ary hampiroborobo ny toekarena ny PLFI 2026. Nisy ny fanamboarana sy fanatsarana nataon’ny minisitera izay nampidirana ny hetahetan’ny va­hoaka sy ny sehatra tsy miankina mifanaraka amin’ny Po­litika ankapoben’ny minisitera. Hampakarana ny tetibola ho an’ny sehatry ny angovo, ahafahana misitraka rano fisotro madio sy herinaratra. Toy iza­ny koa ny fanamboaran-dalana hampakarana ny harin-karena faobe entina hampandrosoana ny toekarena. Tafi­ditra ao anatin’izany ny sehatry ny fampianarana sy ny sosialim-bahoaka.
Ankehitriny, efa hita ny sori-dalàna hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka toy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny Banky iraisam-pirenena sy ny Von­drona eoropeanina (UE). Notsindrin’ny minisitra manokana fa antoky ny fampandehanan’ny toekarena ny fampiroboroboana ny famoronana orinasa ho fanitarana ny fampidiran-ketra.

Henintsoa

Partager sur: