TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Sampana mikaroka ny fandikan-dalàna Atsinanana, ny 4 novambra 2025 lasa teo. Tratra nivarotra sy nitazona rongony izy. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahatrarana rongony milanja 35 kg, izay nafenina tanaty valizy sy harona. Nosamborina ary nentina ao amin’ny Kaomisaria foibe Toamasina izy. Tafiditra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izao.
Vehivavy iray manodidina ny 50 taona, mpivarotra hita faty tao anaty trano nihidy, ny talata lasa teo. Nisy namono sy nanidy tao an-tranony, tany amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony izy. Zanany vavy nody tao an-trano no nahita ny razana ka nampandre ny mpitandro filaminana rehefa tsy nahita ny reniny niverina nody. Nandeha niantsena tany Talata Napano ny nialany ny tranony. Nahitana ratra ny ilany havanany.
Nanatanteraka fampiofanana ho an’ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy mpianatra ho Officier de Police ao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Polisim-pirenena (ENSP) Ivato ny minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny 06 novambra 2025. Ao anatin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana, izay mifantoka amin’ny fihavaozana sy fanavaozana. Nifantoka tamin’ny fahaiza-mitarika ho amin’ny fanovana ny fampiofanana.
Lehilahy iray manodidina ny 50 taona hita faty, tetsy Ankadimbahoaka, afakomaly. Nivalapatra teo akaiky sy manamorona ny rano izy. Mbola teny aminy ny ankanjo nanaovany sy ny kiraro. Nikaikona ny tanany sy ny tongony. Heverina ho nisy nanendaka sy nisy namono izy io.

Partager sur: