Vonona hanohy ny asa fanamboarana ny arabe migodana, Antananarivo-Toamasina, ny orinasa egyptianina Samcrete. Anisan’ny nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Razafindrianarivo Henri Jacob, sy ny masoivohon’i Egypta miasa eto amintsika, Rabab Abdelhadi, ny 3 novambra teo. Marihina fa efa misy ny famatsiam-bola hanohizana ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity.
Nokojakojaina ny lakandrano manondraka velaran-tany 2 440 ha any amin’ny lemaka Taheza, kaominina Bezaha, distrika Betioky Atsimo. Nanao ny asa ny fikambanan’ny Tantsaha Fiata, tosika avy amin’ny tetikasa Purpa (misy tamberim-bidy 10%). Mirefy 3 km ny lakandrano nalana fasika izay tototra tanteraka teo aloha. Nisy koa ny fanaovana tatatra manokana, mirefy 116 m. Niisa 500 ny olona niasa, natao asa tanamaro, mandritra ny 7 andro.
Laharam-pahamehana apetraky ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiarovana sy fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana mpizahatany. Eo koa ny fanamorana ny fampiasam-bola sy ny fomba fiasa eo amin’ireo sehatra ireo. Fa indrindra ny fanandratana ny fahaiza-manao sy ny kanto vitan’ny mpisehatra. Tsiahivina fa nomena roa volana (60 andro) ny minisitera tsirairay hanombanana ny zava-bitany.




