vatosoa indostrialy : Nohenoina ny hevitr’ireo mpisehatra

Nihaona teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, omaly, ny tomponandraikitra ao anatin’ny minisitera sy ny minisitra ary ireo mpandraharaha mpanodina sy mpanondrana vatosoa indostrialy. Atrikasa, araka ny fomba fiasan’ny minisitera, nihainoana ireo mpisehatra rehetra teratany malagasy sy vahiny miaraka amin’ny tomponandraikitra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsiahivina fa vao nohavaozina tamin’ny taona 2023 ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Misy ireo karazana lalàna sy didy samihafa nentina nampiharana azy.
Nohazavain’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, fa nangonina ny hevitr’ireo mpandraharaha, ny fomba fahitany an’ilay lalàna vaovao. Nohe­noina ny soso-kevitr’izy ireo, sady fifanakalozan-kevitra, nentina hanatsarana ity sehatra ity. Ny tena tanjona dia ny mba hiverina sy hipaka any ifotony sy ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny fiantraikan’ireny fanondranana any ivelany ny vatosoa indostrialy ireny, izay tsiahivina fa harena tsy azo havaozina.

Njaka A.

Partager sur: