Ambohitrolomahitsy : Nokolokoloina ny hazo tamina velaran-tany 20 ha

Fotoana fikolokoana ny zana-kazo nambolena izao fiandohan’ny firotsahan’ny orana izao.
Anisan’izany ny natao ny sabotsy 8 novambra teo, tany amin’ny fokontany Ambohi­bema­soandro, kaominina Am­bohitrolomahitsy, distrika Man­jakandriana. Nosorohina ny manodidina ny foto-kazo. Na­niry daholo ny 95% ny zana-kazo nambolena. Atsy aoriana kely, miditra amin’ny fanaovana aro afo sy fisosohana ny hazo maty indray ny hetsika. Niaraka nanatontosa ny tetikasa “Diabe” ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny fokonolona any an-toerana, ny tanora Gen Z avy any Antananarivo, ny tanora zokiny ary ny mpiara-miombon’antoka manatanteraka.
Zana-kazo kininina nambolena tamin’ny taona 2023 ity nokojakojaina ity, izay efa mihoatra ny 2 metatra daholo ny haavony. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Randriamparany Jean Bosco, fa mahatratra 20 ha ny tanin’ny kaominina, ka 4 ha ity nambolen-kazo any Ambohibemasoandro ity.

Nahomby ny tetikasa Diabe
Nomarihin’ny minisitry ny Medd, Manesimanana Rafa­no­me­zan­tsoa Michael, fa nosafidiana manokana ny fokontany Ambohibe­maso­andro, satria hita ny fahombiazana sy ny fiasa tsara ataon’ny tetikasa Diabe. Mbola ho jerena koa ny toeran-kafa nahomby toy izao.
Nohamafisin’ny minisitra, nandritra ny loabary an-dasy niarahana tamin’ireo tanora Gen Z, fa vonona hatrany ny minisitera hiara-kiasa amin’izy ireo, entina hikajiana ny tontolo iainana eto amintsika.

Njaka A.

Partager sur: