Jirama : Narotsaka ny orana artifisialy

Feno ny fepetra! Avy ny orana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ny sabotsy tolakandro teo, nialohavan’ny rivo-mahery. Nahitana avandra ihany koa tany amin’ny faritra sasany, toa ny teny Alasora, Atsimondrano, sns. Nanazava ny Foibe famantarana ny toetr’andro, fa orana narotsaka tsy voajanahary, izany hoe, orana artifisialy, iny nirotsaka iny, satria feno ny fepetra hanatanterahana azy. Tany amin’ny habakabak’Andekaleka no natao ny sidina tamin’ny fiaramanidina. Nentina nampiakarana ny haavon’ny rano, ahafahana mampiakatra ny herinaratra vokarina. Any an-toerana izay tsy mamokatra afa-tsy 50 MW mandritra ny ora maha be ny filàna ny hariva ary 24 MW- 26 MW amin’ny atoandro.
Nitohy omaly alahady ny fandrotsahana sira amin’ny rahona, natao tany Andekaleka, Mantasoa ary Tsiazompaniry, toerana samy ahitana tohodrano. Tanjona ny hampiakatra ny haavon’ny renirano ka hampitombo hatrany amin’ny 90 MW ny vokatra herinaratra amin’ny hariva, hanalefahana ny delestazy ao amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).

Njaka A

Partager sur: