Anisan’ny vokatra mampiavaka antsika maneran-tany ny cacao. Vao mainka nisongadina izany tamin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia niomerika.
Natao ny 28 oktobra hatramin’ny 2 novambra teo, tany Versailles, Paris, ny hetsika « Salon du Chocolat », sady tafiditra ao anatin’ny faha-30 taona nisiany. Zavatra roa lehibe no nasongadin’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny Varavarana hampahalalam-baovao sy ny varotra (PICM) sy ny Filankevi-pirenena ho an’ny cacao Madagasikara (CNC), niaraka tamin’ny sehatra tsy miankina nisolo tena antsika. Maherin’ ny 250 ny mpandray anjara, avy any amin’ny firenena miisa 30.
Fitaovana niomerika natsangan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, ny PICM, hita ao amin’ny www.pic.comerce.mg, ahitana ny antontam-baovao rehetra mahakasika ny varotra sy ny fampiasam-bola. Tohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Vondrona eoropeanina (UE) ary ny tetikasa fanajariana ny tandavam-baovao sy fanatsarana ny varotra (PACFC) izany. Hita ao ny lafiny lalàna sy fitsipika, ny dingana arahina, ny antontanisa ary ny tsena mahaliana. Manohana ny Malagasy mpamokatra sy ny mpanondrana any ivelany, hanitarany ny fihariany ao amin’ny tsenam-paritra sy ny iraisam-pirenena ny hetsika.
Cacao miavaka maneran-tany
Miara-dalana amin’ny PICM ny filankevitra CNC hanasongadinana ny cacao malagasy. Nosokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ny Cacao ho maivana sy matsiro 100%, tokana maneran-tany. Fantatra maneran-tany ny kalitaony, indrindra ny ambolena any amin’ny tany lonaka any Sambirano, Ambanja. Ampiasain’ireo sangany amin’ny mpanamboatra sôkôla avo lenta maneran-tany.
Fanehoana ny maha vokatra anisan’ny miavaka eto Madagasikara ny fandraisana anjaran’ny PICM sy ny CNC nandritra ny “Salon du Chocolat”. Nanamafy ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara-toekarena amin’ny alalan’ny niomerika izany.
Njaka Andriantefiarinesy




