Notafihin’ny jiolahy efatra tsy nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana any amin’ny Fokontany Anjatoka III, kaominina Ambovombe Androy, ny harivan’ny sabotsy 08 novambra 2025 teo. Niditra tao an-tanàna ny jiolahy telo izay nitondra basy poleta iray sy antsy roa. Nanara-maso kosa ny iray fanampiny. Tonga ara-potoana ny Polisy avy ao Androy, taorian’ny antso avy amin’ny olon-tsotra. Nandositra ireo jiolahy vantany vao nahita ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana, narian’ireo jiolahy ny basy poleta iray nampiasainy.
Notafihin’ny jiolahy nitondra antsy ny tokantrano iray eny Anosizato Atsinanana, ny sabotsy teo, tamin’ny 1 ora atoandro. Tonga haingana teny an-toerana ny polisin’ny Sag, taorian’ny antso. Tra-tehaka teo am-pamakiana trano io olon-dratsy io. Hita teny aminy ny antsy nampiasainy sy ny vola 40 000 Ariary ary fahitalavitra iray avy nangalariny. Natolotra ny sampandraharahan’ny SUT eny amin’ny kaomisaria Foibe Tsaralalana izy, taorian’izay.
Efa-dahy niray tsikombakomba tamin’ny halatra moto tao Antalaha voasambotry ny polisim-pirenena, ny 2 novambra lasa teo. Tratra tao Antsonasona ny roa lahy izay nandray ny halatra. Niara-notazomina vonjimaika any am-ponja izy ireo sy ireo roa lahy hafa nanao ny halatra.




