Fampandrosoana ny toekarena : Mifanohana ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina

Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandehanana ny toekarena. Antony mahatonga ny rafi-panjakana manamafy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina.

Zava-dehibe ny fifanohanan’ny roa tonta ho an’ ny tombontsoan’ny firenena sy hanatrarana ny tan­jona iraisana. « Mifarim­bona avokoa ny rehetra raha tiana hatanjaka ny fototry ny fanavaozana ara-toekarena », hoy ny minisitry ny Fampiro­bo­roboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Rasoa­rahona Andriniaina, nandritra ny fihaonany tamin’ny von­dron’ny orinasa afaka haba sy ny mpiara-miombon’antoka aminy (GEFP), tetsy Anosy. Vonona hihaino sy hifanatona amin’ny sehatra tsy miankina ary hijoro ho mpitondra teny ny minisitera. Tanjona ny hanavaozana indray sy hanorenana ny toekarena, hana­nana ho avy mamiratra. Ma­nana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny « zones et entreprises franches » (ZEF). Mahatratra 172 ny faritra sy orinasa afaka haba eto Mada­gasikara izay mampiasa olona manodidina ny 180 000 ary mampidi-bola vahiny be­tsaka. Ho jerena, araka izany, ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny ZEF hanatsarana ny sehatra. Miandrandra ny hametrahana sehatra voatokana na filankevi-pirenena hifanakalozan’ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolon’ny ZEF ihany koa ny GEFP.

Tondrozotra
Paikady apetraky ny minisitera ny hananana tondrozotra hiasany sy hitondrana ny fanavaozana apetraka. Hana­ma­fisana ny tontolo ara-indostrialy sy hisarihana ireo mpam­piasa vola ary hanohanana ny sehatra tsy miankina ny pai­kady « Quick Wins ». Manainga ireo mpiara-miasa aminy ny minisitra hanao tantsoroka amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina sy ny indostria. Marihina fa fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboro­boana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tsiahi­vina fa anisan’ny manome asa sy mandray anjara amin’ny fampakarana ny harinkarena faobe ny tontolon’ny fandraharahana.

Henintsoa

Partager sur: