Mahajanga : Zanaka varika 9 tratra teny amin’ny taksiborosy

Nisy ny fiaraha-miasan’ny Fitantanam-paritry ny tontolo iainana Boeny sy ny kaoperativa Cotisse. Zanaka varika, kara­zana sifaka, miisa 9 no tratra tao amin’ny toby fiantsonan’ity kaoperativa ity any Mahajanga, ny zoma 7 novambra teo. Noka­saina halefa amin’ny fiara mpitondra entana, avy any Maha­janga mankaty Antananarivo, ireo biby arovana ireo, ary tsy nampahafantarina fa biby no anatin’ny entana. Tsikaritry ny
tompon’andraikitry ny Cotisse anefa fa biby ny tao anatiny ary nosavaina, ka teo no nahitana fa varika. Eo am-pikarohana ny tompon’antoka nandefa ireo varika ireo ny ao anivon’ny minisitera sy ny mpitandro filaminana, ankehitriny.
Voararan’ny lalàna eto amintsika sy ny fitsipika iraisam-pirenena Cites ny fihazana, ny fisamborana, ny fitaterana, ny fiompiana ary ny fihinanana varika. Napetraka any amin’ny ivontoerana matihanina amin’ny fikarakarana azy ireo biby ireo, ho arahi-maso ara-pahasalamana.
Ankoatra izany, sokatra miisa 26 no sarona tany amin’ny fokontany Ambaliandro, kaominina Nikoly, Tsihombe, ny 7 no­vam­bra teo ihany koa. Miisa 4 ny olona tratra, notazonina ao amin’ ny Zandarimaria Tsihombe, hadihadiana hikarohana ny mpaniraka azy ireo.

Njaka A.

Partager sur: