TSELATRA

Olona maherin’ny 40 marary voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga, ny sabotsy lasa teo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Jean Paul II Antanimalandy ny 33 amin’izy ireo. Nalefa eny amin’ny CHU Mahavoky Atsimo ny 10 hafa, raha any amin’ireo hopitaly sy klinika hafa ny ambiny. Avy nifety tany amin’ny toeram-pilanonana iray tany Amborovy izy ireo tamin’io fotoana io. Nivalana, narary kibo, fanina, narary an-doha, nandoa ny fisehoan’ny aretina. Tsy mbola fantatra ny sakafo tena namparary azy ireo.
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nanendaka tetsy Anosizato Atsinanana, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny tamin’ny lehilahy iray hamonjy fodiana izy afakomaly alina, tamin’ny 9 ora. Lasany tamin’izany ny karatra fampiasa amin’ny banky, taratasy fahazoana mamily fiara ary finday. Natao ny vela-pandrika ka izao voasambotra izao ilay mpanendaka. Efa natolotra ny CSP 5 Maha­masina ny tenany.
Jiolahy telo malaza amin’ny vaky trano voasambotry ny polisy ao Fianarantsoa, ny 6 novambra 2025 lasa teo. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina momba ireo vaky trano misesisesy ny polisy. Niainga ta­min’ny fisamborana lehilahy iray ny vokatra azo. Nahita­na entana halatra maro tao an-tranony. Niaiky ny helony izy ary nanoro ireo mpiray tsikombakomba (roa lahy) taminy.
Vehivavy iray maty nilatsaham-potaka tany amin’ny fokontany Sahatsiary, kaominina Ambalama­nalana, disitrikan’Ambositra, afakomaly atoandro. Olona dimy hafa naratra mafy ary efa tsaboina any amin’ny hopitaly. Raha ny fantatra, andeha hamonjy fodiana izy no izao niharan-doza izao. Lehilahy iray hafa ihany koa maty nilatsaham-potaka tany Tsiroanomandidy, afakomaly ihany.

Partager sur: