VAOVAO TAMBATRA

Haharitra 90 andro ny fanadihadiana momba ny kaontim-bola ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tanjona ny hijerena manontolo ny tsy fahatomombanana sy ny lesoka amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Hanatanteraka ny fanadihadiana ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Fitsirihana ankapoben’ny fanjakana (IGE), izay hatao ao anatin’ny mangarahara.

Tsy nahitana trangan’afo intsony any amin’ny Valanjavaboarin’Ankarafantsika, tato anatin’ny herinandro izao. Maro ny hetsika atao, toy ny ady mivantana hamonoana sy hampihenana ny fiparitahan’ny afo, ny fampiasana ny fitaovam-pisafoana sy fitiliana, drônes, sns. Miara-miasa ny hery velona rehetra, toy ny ao amin’ny Fitantanam-paritra (Dredd), ny mpitandro filaminana, ny fokonolona ary ny mpiara-miombon’antoka.

Maherin’ny 125 000 ny mpamokatra nisitraka ny tetikasa « Purpa », notohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ara-bola. Nanohanana fitaovana sy kojakojam-pamokarana, toy ny masomboly, zezika, fitaovam-pambolena, sns izany. Niara-miombon’antoka tamin’ny fanatanterahana azy ny Minae, ny Drae, ny Fofifa, ny FDA, ny Fifamanor, ny SOC, ny Papriz, sns. Hifarana amin’ny desambra 2025 izao ny tetikasa.

Partager sur: