Fampandrosoana ny toekarena : Mila omen-danja ny fampiasam-bola anatiny

Mahatratra 8 651,19 mi­liara Ar ny famatsiam-bola ilain’ i Madagasikara ho an’ny taona 2026, araka ny drafitra isan-taonan’ny famatsiam-bola (Paf). Mbola miankina amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny 52,9% ny filàna, izany hoe, ny 5 839,35 miliara Ar, raha 32,5% monja no avy amin’ny loharanon-karena anatiny. « Fotoana izao hanamafisana ny fampiasam-bola anatiny hampihe­nana ny fiankinandoha amin’ ny fanampiana avy any ivelany », hoy ny mpahay toeka­rena. Miantoka ny fahafahana mamaritra ireo filàna ifotony ny fampiasam-bola anatiny mba hialana amin’ireo fepetra takin’ny mpiara-miombon’ antoka. Hatreto, mbo­la miankindoha tanteraka amin’ny famatsiam-bola avy any ive­lany isika, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana. Firenena manan-karena i Madagasi­kara, maro ny loharanon-karena stratejika eto amintsika azo trandrahina. Saingy atao tantely afa-drakotra izany. Vokany, mandringa ny toekarena, mihetry ny fampandrosoana ary miaina anaty fahantrana ny 80% amin’ny Malagasy.

Fanovana
Ventesina amin’izao foto­ana ny fanovan-drafitra. To­kony homen-danja manokana ny fampiasam-bola anatiny sy avy any ivelany. Ampitom­boina ny mpandraharaha mba hananana fiandrianam-pire­nena amin’ny harena an-kibon’ ny tany, entina hanohanana ireo fotodrafitrasa samihafa sy fanavaozana apetraka. Fo­toana izao hanovana ny rafi-pampandrosoana ara-toekarena amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ny famokarana anatiny. Mba hironana amin’ ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy mifototra amin’ ny loharanon-karena anatiny ny antony.

Henintsoa

Partager sur: