Jirama : Nosamborina ny filohan’ny sendikà SMJ

Nosamborin’ny polisy, omaly hariva, ny filohan’ny Sendi­kàn’ny mpiasa Jirama (SMJ), Ratovomanarivo Anmora. Tsia­hivina, fa nisy ny fianihana andrinjiro, nanapaka ny famatsian-jiro amin’ny masoivoho maromaro teto Antananarivo, ny talata teo.
Naneho hevitra, omaly, ny sendikà maromaro (Sat-Ji, Semm, Sekrima, Usam, Fisemare) ao amin’ny Jirama. Melohin’izy ireo ny fandraisana fepetra an-kerisetra sy ny fanakorontanana ny asa ataon’ny Sendikà SMJ. Ho azy ireo, ilaina ny fanadiovana anatiny sy ny fanatsarana ny fitantanana ny orinasa, hiarovana ny tombontsoan’ny firenena.
Tsy ankasitrahin’izy ireo anefa ny sata vaovaon’ny orinasa, ka miantso fifampidinihana. Tsy asiany olana ny fanesorana na tsia ny tale jeneraly, saingy tsy ekena ny fanaovana amboletra ny fanalana azy. Anjaran’ny fanjakana ny mijery ny tokony ha­nalana azy na tsia. Efa mitady vahaolana ny minisitera mpiahy. Nampahatsiahivin’ireto sendikà nijoro ireto fa efa hatao ny fanadihadiana anatiny mahakasika ny fitantanana (audit) ao anivon’ny orinasa Jirama.

Njaka A.

Partager sur: