Mampiseho ny fandraisany andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina (RSE) ny orinasa Star. Nohamafisiny ny toerany amin’ny maha lohalaharana azy amin’ny sehatry ny indostria sy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny mponina.
Anisan’izany ny zava-bita any amin’ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, ahitana mponina maherin’ny 23 000. Nasehony fa mifameno tsara ny fivoarana ara-toekarena sy ny fampandrosoana lovain-jafy, amin’ ny alalan’ireo asa natao ho an’ny fambolena, ny fanabeazana ary nanehoana ny firaisankinan’ny mponina. Notokanana ny 7 novambra 2025 teo ny tohodrano any Ankiheniheny, afaka manondraka tanimbary 200 ha. Hanampy ny tohodrano any Fonenantsoa, niasa nanomboka ny taona 2022, manondraka tanimbary 150 ha, ity fotodrafitrasa ity. Izany hoe, nitombo ho 350 ha ny velaran-tany voajary, ahafahan’ny tantsaha mamboly vary sy manao voly avotra, hanatsarana ny vokatra, ny velontena ary ny fidiram-bola. Notsorin’ny solontenan’ny tantsaha fa hiakatra 90% ny vokatra ho azo raha 20% monja izany tamin’ny taon-dasa.
Iankinan’ny hoavy ny fanabeazana
Tsy ataon’ny orinasa Star ambanin-javatra ihany koa ny sehatry ny fanabeazana. Miisa 2 ny sekoly EPP notokanana, manaraka ny fenitra, miaraka amin’ny kojakoja toy ny dabilio, seza sy latabatra, ary misy fotodafitrasa ho an’ ny toeram-pivoahana. Mahatratra 750 ny mpianatra misitraka fotodrafitrasa mendrika, ahafahany manomana ny hoaviny. Anisan’izany ny any Anteza, trano iray misy efitrano fampianarana 3, miampy dabilio 75 ho an’ny mpianatra 300. Manampy izany, trano 2, misy efitrano fampianarana, novatsiana dabilio miisa 100 ho an’ny mpianatra 450 any Ankiheniheny.
Nisy ny fizarana vary 1 taonina sy zava-pisotro ho an’ny mponina. Nambaran’ny talen’ ny Serasera ao amin’ny Star, Randriambolamana Seheno, fa vokatry ny fifampiresahana tamin’ny kaominina Tsiafajavona, amaliana ny filàn’ny mponina no nahafahana nanatanteraka ireo fotodrafitrasa ireo.
Njaka Andriantefiarinesy




