Mpamily taxi-be 015 sy mpanampy azy samy nohazonin’ny polisy rehefa tratra nandika lalàna teny amin’ny Rond point Isotry, ny 11 novambra teo. Nihodina an-dalana izy roa lahy ary mbola nanevateva ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany ny fiara.
Dahalo mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, avotra ilay takalonaina tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Marotampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby ireo olon-dratsy saingy tsy nahomby izany. Nobatainy nanaraka azy ny zazalahy 10 taona, mpiandry omby.
Lehilahy voarohirohy ho mpiray tendro tamin’ny fangalarana voamaso ana zazavavy 13 taona, tao Ambinan’ny Sakalava, kaominina Ambolomadinika, afakomaly. Nalain’ireo tsy valahara ny voamason’ireo lasibatra ireo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.




