Fandraharahana : Hatsangana ny politika momba ny indostria

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha.

«Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina hampandrosoana ny orinasa », hoy ny minisitra Ra­soarahona Andriniaina. Nan­dritra ny fanokafana ny « Forum national des entrepreneurs » andiany fahafito, tetsy Anta­ninarenina, omaly, no nanambarany izany. Fa­noitra ho an’ny fanovana sy fampandrosoana ny toekarena ny fandraharahana, noho izy mite­raka asa sy manokatra lalam-barotra maro. Ao anatin’ny fanavaozana apetraky ny fanjakana ny mametraka ny Politika hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Araka izany, “hotanterahina tsy ho ela ny fikaonandoham-pirenena entina hanarenana ny toekarena. Fotoana iray handraisana ny hevitry ny rehetra ka handrafetana ny politika ha­nampiana ny indostria mala­gasy io”, hoy hatrany ny minisitra. Marihina fa 90% ny orinasa eto amintsika dia madi­nika avokoa ka mila tohana.

Sedra

Ankoatra ny olan’ny an­govo, mbola sarotra ho an’ny mpandraharaha ny fampaharetana ny orinasany. « Hisy ny fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ireo matihanina sami­hafa», hoy ny mpikarakara ny forum, Raharison Diary. Noto­hizan’ny tale mpanatanteraka ny Madagascar Entreprise Development (MED), Randria­manantena Landry, fa hisy ny fampianarana ny hampidirana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny asa aman-draharaha andavanandro, hanatsarana an’io tontolo io.

Henintsoa

Partager sur: