Miantoka ny 30% ny fanondranana entana any ivelany ny fitrandrahana vaventy. Manome ny 5% ny Harinkarena faobe (PIB). Nanome toky ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, raha nihaona tamin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), ny 11 novambra teo, fa hametraka tontolo madio amin’ny fandraharahana eto amintsika, manodidina ny 100 000 isa.
Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, ny masoivohon’i Japon, Abe Koji, ny 7 novambra teo. Anisan’ny noresahina ny fampandrosoana entin’ny fitrandrahana
vaventy ny harena an-kibon’ ny tany. Goavana indrindra ny tetikasa Ambatovy, iarahan’ny mpampiasa vola japoney sy koreanina, mitentina 9 miliara dolara. Manome asa mivantana sy ankolaka 10 000 isa. Eo koa ny orinasa QMM Rio Tinto any Taolagnaro, mamokatra fasimainty. Nanamboatra ny seranan-tsambon’i Ehoala, niaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Miisa 1 314 ny sambo efa nandalo tany. Eo koa ny mpizahatany amin’ny sambo vaventy nahatratra 51 347, nanomboka ny taona 2009.
Manampy ireo, ny tetikasa Base Toliara, hitrandraka fasimainty ihany koa, hitondra fampandrosoana goavana any Toliara, Atsimo Andrefana, sy hampidi-bola ho an’ ny fanjakana. Eo am-panavaozana ny lafiny teknika sy ara-tontolo iainana, sady manohana ny lafiny sosialy, mialoha ny fananganana ny ozinina. Orinasa vahiny maro ihany koa no mitrandraka grafita any Atsimon’ny Nosy. Manodidina ny 150 000t isan-taona ny trandrahin’ny Next Materials any Molo.
Njaka A.




