Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Nahatrarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo.
Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Maintirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena sy volafotsy, ny lehilahy iray lasibatra.
Lehilahy mpangalatra moto tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny CSP6 teny Ambohimanarina, afakomaly. Moto Yamaha C2 nangalarin’io lehilahy io. Nokarohin’ny mpitandro filaminana izy ka izao tratra ireo.
Tovolahy iray tratran’ny fokonolona sy ny zandary nangarom-paosy teny amin’ny kaominina Fenoarivo, afakomaly. Nikasa handositra io mpanao ratsy io saingy notanan’ny fokonolona ary natolotra ny zandary.




