Efa hita omaly avokoa ireo olona enina nanaovana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy nahazahoana vaovao kosa ny antony tsy nahitana azy ireo. Marihina fa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy tolakandro teo, teto Antananarivo izy rehetra ireo. Nisy antso an-tariby nanafatra azy ireo ho any Anosiavaratra, ny sabotsy tamin’ny 9 ora maraina teo. Tsy tratra antso intsony ireto farany, taorian’izay, raha ny fanazavana voaray.
Nilahatra nihazo ny biraon’ny kaomisaria foibe ao Bazary be ireo fokonolona havan’ilay tovolahy maty. Notifirin’ny polisy tao an-tranony tao amin’ny fokontany Mahavatse izy io fa voalaza ho namaky ny tranon’ny Polisy iray tany an-toerana. Very nandritra izany, ny vola mitentina 90 tapitrisa ariary. Olona 8 no voasaringotra tamin’io raharaha io. Anisan’izany io tovolahy io. Niverina nody ireo fokonolona taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Efa nivoaka kosa ireo olona fito ambiny voatazona tao amin’ny biraon’ny polisy.
Mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny fokontany Ambodirano-Ampefiloha, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivarotra rongony anisan’ ny manimba ny tanora. Niroso tamin’ny fidinana ifotony sy fisavana ny tokantrano voatondro izy ireo. Voasambotra nandritra izany, ny lehilahy iray. Nahatrarana vovoka “cocaïne” teny aminy. Nisy roa lahy hafa niaraka taminy saingy tafaporitsaka ireto farany rehefa nahatazana ny polisy.




