Lozam-pifamoivoizana teny Ankasina Lehilahy iray maty, nitroatra ny mponina

Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy.

Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy na­metraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazo­manga, ny mponina teny Anka­sina, omaly. Tsiahivina fa ni­trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny an-toerana, tamin’ny 4 ora sy sa­sany maraina, raha ny filazan’ireto farany. “Naha­ray antso ny tenako fa maty voafaokan’ny fiara ny lehilahy iray izay anisan’ny zafiko”, hoy ny lehiben’ny faritra faha-IV ao Ankasina, Rakotoam­pianilako.
Hivoaka ny trano hamonjy asa maraina izy no io tra-doza io, araka ny angom-baovao teny an-toerana. “Nandositra ny fiara. Taraiky koa ny fandraisana andraikitra”, hoy ny fanazavana. Niatrana teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena nandamina ny toe-draharaha saingy nihamaro ireo mponina nivoaka ny trano fonenany rehefa nanomboka nifamezivezy ny fiara sy ny moto. Nandoro kodiarana sy nanakan-dalana ny vatan-dehilahy. Nanatevin-daharana ny zaza amam-behivavy teny an-toerana. Miisa telo ireo sakana na­taon’izy ireo tamin’io fotoana io.

Nisavoritaka tanteraka
Nitohana avokoa ny fifamoivoizana tamin’ny faritra manodidina an’Andohatapena­ka, Ankazomanga, hatrany amin’ny Digue, omaly. Nisavo­ritaka tanteraka ny fifamoivoizana. Nidrikina tsy nanaiky na­nala ny sakan-dalàna ny mponina. Voatery niverin-dalana ny mpiasa sy ny mpianatra.
Efa tamin’ny mitataovovonana vao nisy ny tomponandraikitra nidina nizaha akaiky ny fizotry ny toe-darahara teny an-toerana. Teo vao nanomboka ny fanelanelanana tamin’ny famahana ny lalana. Nidina teny an-toerana rahateo ny eo anivon’ny kaominina namerina ny fanalefahana ny hafainganam-pandeha na “casseur de vitesse”.
Maro loatra!
“Lozam-pifamoivoizana efatra niseho tety hatramin’ny nanesorana ny Casseur de vitesse, volana vitsy lasa”, hoy ny lehiben’ny faritra faha-IV ao Ankasina. Izay rahateo no voalaza fa antony nahatonga ny fitokonana. Nilaza ny mponina fa famonoana azy ireo ny fanesorana ny “casseur de Vites­se”. “Efa nanao taratasy fangatahana teny anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra rahateo izahay”, hoy ny loharanom-baovao.
Naverina, araka izany, ny fanalefahana ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Ando­ha­­ta­­pe­na­ka sy Ankazomanga, nahafahana nanokatra ny ara­be. Tsy nijanona hatreo anefa ny hetsika fa nisy ny mbola ni­kononkonona ny hanohy izany ny tolakandro. Efa nidina nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena sy ny zandary. Nentina teny amin’ny tranom-paty nanaovana fizahana ny razana, ora valo taorian’ny nahafaty azy.

Tsiferana R.

Partager sur: