Itaosy-Fiombonana: Vehivavy iray maty nirodanan’ny tamboho

Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana vehivavy 30 taona, tetsy Itaosy, fokontany Marobiby, kaomi­nina Fihombonana, disitrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly tamin’ny 7 ora ha­riva. Nianjera tamin’ny trano nahitana rihana roa, misy efitra enina teo ho eo, ny tam­boho iray. Efa-mianaka izy ireo no tao an-trano, nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo ary mpanampy iray. Tsy tao an-trano ny raim-pianakaviana tamin’io fotoana io noho ny asa aman-draharahany. Vokany, namoy ny ainy tototry ny tany sy biriky, nandritra izany, ny vehivavy iray 30 taona, izay mpanampy an-trano. Avotry ny fokonolona kosa ireo olona hafa. Nisaotra ny mponina niara-nisalahy tamin’ny fanampiana noho ny fanavotana sy fisokirana ireo olona tototry ny tany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Fiom­bonana, Randriamanantena Gabriel. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana avy eny Itaosy. « Entanina ny rehetra mba ho mailo sy hampandre ny tomponandraikitra avy hatrany raha misy ny tranga mam­piahiahy, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao, mba hisorohana ny loza tahaka izao », hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Fiombonana. Taorian’ny loza, nisy ny fifampiresahana ka mandray andraikitra mano­loana ny fikarakarana ny ra­zana ny tompon’ilay tamboho nianjera.

Mino

Partager sur: