“Indian Ocean U15 Festival 2025” : Handray anjara ny Barea zandriny

Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao, any Maurice, ao amin’ny Kianjan’ny Côte d’Or, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, “Indian Ocean U15 Festival 2025”. Handray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka izany, hisy ny fampivondronana ireo tanora malagasy, vavy sy lahy, latsaky ny 15 taona, eto an-toerana, manomboka ny 29 novambra ho avy izao.
Mpilalao manodidina ny 30, manerana ny Nosy sy avy amin’ireo ivontoeram-piofanana- TDS, no voaantso hiatrika izany. Araka ny fanazavana azo tao amin’ny pejin’ny Fe­derasionina malagasin’ny baolina kitra, i Antoasy Cynthia, andriambavilanitra no hanazatra ny ekipam-pirenena. Rami­lison Navalina Joachim kosa no hitantana ny ekipa nasionaly sokajy lehilahy, zandriny. Raha tsy misy ny fiovana, hifanintsana amin’ny Malagasy ihany koa i Maurice, mpampiantrano, Comores, La Réunion, Seychelles ary i Mayottes. Tsara ny mampahatsiahy fa i Madagasikara no nandrombaka ny “Ocean Indian U15 Festival 2024” farany teo, fifaninanana iraisam-pirenena izay natao teto Antananarivo.

Fitia Randria

Partager sur: