Saran’ny internet : Nitondra vahaolana fohy ezaka ny fitondram-panjakana

Nametraka vahaolana mahakasika ny hampihenana ny saran’ny internet eto Madagasikara ny fitondram-panjakana, taorian’ny dinika niarahan’ny minisitera sy ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ny GTM.

Tapaka taorian’ny fifampidinihana sy tolotra nen­tin’ireo mpiandraikitra ny tambazotra fa misanda 3 000Ar ny fisitrahana internet 1,1Go, 5 000Ar ny 2,5Go ary 10 000Ar ny 5,5Go. Tanjona ny hanome fahafahana mitovy amin’ny sehatry ny niomerika sy ny hiarovana ny fahefa-mi­vidin’ny Malagasy, araka ny fanambarana iombonana na­voakan’ny minisiteran’ny Toe­ka­rena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny minisiteran’ny Fam­biroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MND PT) ary ny minisiteran’ny Se­ra­sera sy ny kolontsaina (MSK). Na izany aza, tsy azo heverina ho fihenam-bidy maharitra ireo tolotra ireo, tsy manome antoka fihenana maharitra iha­ny koa, raha ny fanazavana hatrany. Ankilany, mangataka ny hanafoanana avy ha­trany ny hetra maromaro ma­nan-danja ho solon’ireo tolotra ireo ny mpandraharaha, izay mitentina hatrany amin’ny 215 miliara Ar. Nambaran’izy ireo fa ho tafakatra 400 miliara Ar ny hetra hampidirin’ity sehatra ity amin’ny taona ho avy noho ny fampidinan-ketra izay andraindrain’izy ireo.

Fampandrosoana
Andry fototry ny fampandrosoana ny fisitrahana internet, indrindra eo amin’ny se­ha­try ny fampianarana, fahasalamana, fandraharahana, fanavaozana, ny asa sns. Mbola anisan’ireo firenena manana saran’izany lafo anefa i Mada­ga­sikara. Nam­ba­ran’ny mpahay toekarena iray fa «manakana ny fisitrahan’ny Malaga­sy ny zony sy ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, in­drindra ny fivelaran’ny tanora, ny zava-misy eto amintsika».
Ankilany, nilaza ny fitondram-panjakana fa tsy azo ekena ny fanerena hanovana amin’ny fotoana farany ny fi­tsipika ara-ketra eto amin’ny fi­renena. Nilaza kosa ireo mpan­­draharaha fa tsy hisy fiantraikany amin’ny vola miditra amin’ny fanjakana ny fanafoanana izany. Namaly ny governemanta fa kajy nataon’izy ireo ihany no fototra iorenana. Nohamafisin’ny avy amin’ny fanjakana fa «tsy afaka ma­nangana politikam-bola amin’ ny tombana asa avy amin’ireo tombontsoa manokana ny fanjakana».

Henintsoa

Partager sur: