Tao anatin’ny telo volana, teto Antananarivo : Mahatratra 12 ny lozam-pifamoivoizana nahafaty olona

Mitombo ny fandikan-dalàna ataon’ny mpampiasa lalana sy ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy nandratrana olona. Mahatratra 172 ny fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo, tao anatin’ny telo volana. 12 tamin’ireo namoizana aina avokoa.

172 ny fitambaran’ny lo­zam-pifamoivoizana niseho teto Antananarivo, nanomboka ny volana septambra hatramin’ity volana novambra ity. Manodi­di­na ny 12 ny tranga na­hafa­tesana olona tamin’ireo, raha ny antontanisa na­voakan’ny Bri­gade des accidents de la cir­culation. Nahita­na mpamily nandray zava-pi­sotro mahamamo ny 49 tamin’izany. Eni­na ireo mpamily tsy nanana fa­hazahoan-dalana hamily. Na­hatratra 222 ireo olona lasibatra vokatr’ireo lo­zam-pifa­moi­voizana ireo. Le­hilahy ny 151, vehivavy ny 40 ary ankizy tsy ampy taona ny 31 ambiny.
Anisan’ny nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Andranovao, kaominina ambanivohitr’Ambo­hi­mangakely, afakomaly tokony tamin’ny 8 ora alina. Tovovavy 18 taona iray no maty voadonan’ny fiara. Teny an-dalana handeha hody izy tamin’io. Ni­tsoaka ilay fiara nahavanon-doza, raha ny fanazavana voa­ray avy amin’ireo nanatri-ma­so. Nirohotra nanatona teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny manodidina nahita ny tranga. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao Ambo­himangakely vantany vao na­hare ny antso. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly eny an-toerana ny razana, taorian’ny fanadihadiana. Efa tonga naka ny razana ny fianakaviana taorian’ny fiparitahan’ny sary tamin’ny tambajotra sosialy.

Tokony hitandrina

Manoloana ny hamaroan’ny lozam-pifamoivoizana sy ny tsy fanarahan-dalàna. Nan-dray andraikitra ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny fanentanana sy fampahatsiahivana ny mpampiasa lalana, tetezina isaky ny boriborintany rehetra izany. «To­ko­ny hajaina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza mety hitranga», hoy ny Commissaire de police Willys Jean Perlin Tenazafy, Lehi­ben’ ny Bac eo anivon’ny kaomisaria foibe, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. «Misy andraikitra avy amin’ny tsirairay ny fisorohana ny loza fa tsy tokony handrasana ny mpitandro filaminana», hoy izy. Tanjona ny tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana.
Maro ny fototry ny loza, toy ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana, ny tsy fa­nanana taratasy fahafahana mamily, ny fandehanana mafy, ny fanaovana taingimbe sy ny maro hafa. Nambarany fa fo­to­try ny lozam-pifamoivoizana ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola eo am-pamiliana. Tsy azo atao koa ny «cour­se sauvage» satria miteraka loza maro samihafa izany.

Mino

Partager sur: