Tsy navelan’ny fanjakana handalo fotsiny ny nandrombahan’ny Malagasy atleta ny tompondaka maneran-tany teo amin’ny taranja bodybuilding. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena. Notolorana mari-boninahitra Rakotomandimby Rado, izay voahosotra ho tompondaka maneran-tany teo amin’ny sokajy bodybuilding latsaky ny 80kg. Teo koa i Marinjara Maurice, voahosotra ho tompondaka lefitra teo amin’ny Classic Physique, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja bodybuilding, natao tany Indonezia, ny 11 hatramin’ny 17 novambra lasa teo. Anisan’ ny angady nananana sy vy nahitana izao vokatra izao ny eo anivon’ny Federasionin’ny bodybuilding ka notolorana mari-boninahitra ny filoha sy ny tale teknika nasionaly ho marika ny fankasitrahana azy ireo. Naneho fisaorana lehibe ho an’ny filoha ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena noho ny lanja omen’ny fitondram-panjakana ny fanatanjahantena ao anatin’ny politika fanavaozana an’i Madagasikara.
Mi.Raz




