Tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina antsoina hoe: fano, tany amin’ ny fokontany Sahorana, fokontany Ampasimpotsy, kaominina Fenoarivo Atsinanana, hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana voaray, vehivavy sy ankizivavy vao enin-taona ireo namoy ny ainy ireo. Am-polony ny olona marary sy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitalibe Fenoarivo Atsinanana hatramin’izao. Raha tsiahivina, nividy io hazandranomasina azon’ny mpanjono tany an-toerana io izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Andro vitsy taorian’ny fihinanana izany, nahitana soritraretina hafahafa avokoa izy rehetra. Nitranga ny aretin-kibo, fivalanana, mandoa, marary an-doha, sy ny maro hafa. Nisy ny nanao dokotera tena, nisy kosa ny nanatona toeram-pitsaboana. Anisan’ny antony nampiakatra ny tahan’ ny namoy ny ainy, ny fisafidianan’ny olona sasany nanao dokotera tena, raha ny fanazavana.
Taorian’ny tranga niseho tany an-toerana, nidina ifotony ny tomponandraikitra avy amin’ny Faritra Analanjirofo, nahitana ny kaominina Fenoarivo Atsinanana, ny sampandraharaha misahana ny Jono sy ny toekarena manga sy ny maro hafa. Efa nisy rahateo ny fanentanana ny mponina mba tsy hihinana ireo sokatra an-dranomasina sy karazan-trondro sasany amin’izao fotoan’ny orana izao. Tanjona ny hisorohana ny trangam-pahafatesana tahaka izao. Fotoana mahabetsaka ny poizina any anatin’ireo karazan-trondro sy hazandranomasina ny volana novambra hatramin’ny volana marsa.
Mino




