Roa taona namakiana fasana : 5 lahy mpangalatra taolam-paty, tratra

Ravan’ny zandarimaria ny tambajotra mpamaky fasana tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 26 novambra teo. Roa taona nanaovana asa ratsy ireo tratra ireo.

Dimy lahy mpangalatra sady mpivarotra taolam-paty nosamborin’ ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ampizarantany, ka­o­minina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 26 novambra teo. Efa-dahy nitondra gony, naneho fihetsika mampiahiahy ny manodidina. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filam­nana ny olona tsara sitrapo. Nosakanana ireo olona voa­laza ka nosavaina ny gony teny aminy. Taolam-paty avokoa no hita tao anatiny. Tsy afa-nandositra intsony ireo mpanao ratsy ary niaiky fa mpi­varotra taolam-balo. Nitady mpividy entana izy ireo ka tonga tao amin’io kaominina io. Lehilahy iray voatonona ho mpiray tsikombakomba amin’ izany. Monina ao Ankadinon­dry Sa­kay ilay lehilahy voa­laza. Voa­sambotry ny manam-pahefana tao an-toerana ity farany.

Namaky fasana
Mpanao asa vaky fasana izy dimy lahy. Nandritra ny fa­motorana nataon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambararata, fantatra fa nalain’ireo jiolahy tao amin’ny fasana iray tao Ambalahazo, fokontany Bonara, ao Anka­dinondry, ireo taolam-balo ireo. Nitoroka olona hafa mpi­ara-manao ny asa ratsy aminy rahateo izy dimy mirahalahy. Efa azon’ny mpitandro filaminana avokoa ny mombamomba azy rehetra ireo ka miroso amin’ny fikarohana ny zandary amin’izao fotoana. Marihina, fasana maromaro no lasibatry ny vaky fasana tao amin’ny distrikan’i Tsiro­anomandidy hatramin’ny fiatombohan’ny taona. Tsy hita hatrany ireo mpanao ratsy ka izao nahazoan’ny zandarimaria vokatra izao.

Tsiferana R.

 

Partager sur: