Rugby – “XXL Top 12”: Hanohitra ny Cosfa (Bebaoty) ny USA (Tapany maitso)

Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Fihaonana telo no voalahatra amin’izany. Ani­sann’ny andrasan’ny rehetra ny an’ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso) sy ny Cosfa (Bebaoty). Hanala vela, amin’ ity, ry zareo Ankady. Hiavaka kely izany satria anisan’ny fileovana hivondronan’ireo mpilalao sangany amin’izao fotoana izao ny tapany maitso. Etsy ankilany, tsy miova amin’ ny tanjany sy ny heriny ry zareo Bebaoty. Matanjaka ary mafy ao anaty “pack d’avant”. Araka izany, hiendrika lalao famaranana kely mialoha ny fotoana izany fifandon’ny roa tonta izany.
Ankoatra izay, lalao hangotraka ihany koa ny fihao­nan’ny samy kartie, hikatro­han’ny Tam Anosibe sy ny TFA Anatihazo. Samy manana ny fahaiza-manaony na ny andaniny na ny ankilany. Misy mpilalao tanora sy matanjaka, ary ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta.
Mitovitovy fomba filalao. Ho lalaon’ny mpanazatra, araka izany, no hitranga. Ny paikady apetrak’izy ireo no miainga eo ambony kianja ka hivoaka ho mpandresy izay manana ilay fanalahidy afaka hamaha ny varavarana. Han­go­traka ny 80 mn hifanandrinana ka ho valaka izay ratsy fiomanana.
Tsy ho latsa-danja amin’ izany koa ny an’ny 3FB Faha­salamana sy ny Mang’Arts Manjakaray. Ekipa tsy azo tsinontsinoavina ao anatin’ity Top 12 ity ny roa tonta. Mana­na fomba filalao miavaka na ny ekipan’ny minisitera na ny boaikelin’i Manjakaray ka tsy hifampitsitsy mihitsy.
Hanokatra ny lalao rehetra ny an’ny sokajy D1, vehivavy. Hifampitana amin’izany ny FTM Manjakaray sy ny FTFA Antohomadinika.

Tompondaka

Partager sur: