Tetikasa Produir : Fotodrafitrasa maro notokanana

Vita ny fananganana tanàna vaovao faharoa, ahitana fotodrafitrasa maro. Eo koa ny fanamafisana ny fefilohan’Ikopa, mirefy 3,5 km.

Mitohy ny asa fanajariana ataon’ny tetikasa Pro­duir. Notokanan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany (MFTR), ny jeneraly Lylison René de Rolland sy ny solombavabahoaka ary ny ben’ny Tanàna CUA, ny fotodrafitrasa naorin’ny tetikasa. Teo koa ny mpandrindra ny tetikasa Produir sy ireo mpiara-miombon’antoka. Voalohany, ireo trano fonenana anaty tanàn-dehibe vaovao, andiany faharoa. Ahitana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka, toy ny lalana, lalankely, paompin-drano, fanasan-damba, toerana fanaovana fanatanjahantena, toerana famakiam-boky, sns. Maherin’ ny 500 000 isa ny mponina afaka misitraka ireo fotodrafitrasa ireo, ao anatin’ny boriborintany I sy IV eto Antananarivo Renivohitra (CUA), sy ny kaominina Bemasoandro, Andra­nonahoatra ary Anosizato An­drefana.
Fotodrafitrasa goavana faharoa, vitan’ny tetikasa Pro­duir, ihany koa, ho fiarovana an’Antananarivo amin’ny todradrano, ny fefilohan’ny reniranon’ Ikopa, mirefy 3,5 km. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1990 no nisy fanarenana lehibe farany toy izao, tamin’ity fefiloha ity. Foto­drafitrasa iankinan’ny mponina maherin’ny 314 000 isa, ho fiarovana amin’ny tondradrano, noho ny fisian’ity fefiloha na­taon’ny Produir ity.

Famatsiam-bola 140 tapitrisa dolara
Mahatratra 140 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ho an’ny tetikasa Produir, avy amin’ ny Banky iraisam-pirenena.
An­kotra ireo fotodrafitrasa vao no­tokanana, anisan’ny asa goa­vana atao koa ny fanadiovana ny lakandrano C3, mirefy 13 km, avy any Anosibe hatreny An­dranomena. Mahatratra 20 000 m3 ny fotaka efa na­lana, natoby eny Iarinarivo. Ho vita amin’ny jona 2026 ny asa rehetra. Maherin’ny 1 tapitrisa ny mponina misitraka tombontsoa, nanome asa mihoatra ny 200 000.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: