Raharaha fanapoizinana ara-tsakafo niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. « Mbola maro ny olona tokony hohenoina sy hanaovana fanadihadiana », hoy ny minisitry ny fitsarana, Fanirisoa Erinaivo. Mbola ao anatin’ny fihainoana ireo mbola velona rehetra izay nahita ny zava-nitranga ny mpanao famotorana. Anisan’izany ireo papasaosy voatonona tamin’iny raharaha iny.
Fiara mpitondra entana iray latsaka tao amin’ny lakandranon’Ambodimita, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora. Nandeha mafy ny fiara ary nivarina tao anatin’ilay lakandrano. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga ity. Mpamily sy olona iray hafa no tao anatin’ny fiara.
Lehilahy lehibe iray, tokony ho 70 taona, hita faty teny an-dalana, tany Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Raha ny fanazavana vaoaray, olona tsy manan-kialofana izy io. Hanoanana sy harerahana ny antony nahafaty azy, raha ny fanazavana voaray. Efa natolotra eny amin’ny tranom-paty ny razana.
Lehilahy iray manodidina ny 35 taona no hita faty teny amoron-dranomasina Vohidrotra, Antetezambaro, Toamasina II, afakomaly maraina. Hasemporana tao anaty rano no antony nahafaty azy, hoy ny mpitsabo. Natolotra ny fokontany ny razana ary misokatra ny fanadihadiana sahanin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Toamasina.




