Hotanterahina anio, ary haharitra roa andro, ny fanamarihana ny Androm-pirenena momba ny fahasalaman’ny saina, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka samihafa izany. Miompana amin’ny fisorohana ny tolotra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]
Mois : novembre 2025
Tetikasa Greenskills: Namoaka tanora teknisianina 25 mianadahy
Ampirisihina ny tovovavy hisafidy ny sehatra teknika, ka telo izy ireo no voaray nanaraka ny fiofanana ho Technicien en système solaire photovoltaïque, ao amin’ny tetikasa Greenskills. Notolorana ny mari-pamantarana ny fahavitan’ny fiofanana izy 17 mianadahy teto Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Faharoa maneran-tany mamokatra grafita voajanahary i Madagasikara, aorian’i Chine. Manaraka antsika eo i Mozambika sy i Brezila. Hita tao anaty angon-kevitra USGS 2024 ireo antontanisa iraisam-pirenena ireo. Mahazo tombony amin’ny fitomboan’ny lanjan’izany eo amin’ity tsena iraisam-pirenena ity i Madagasikara, amin’ny maha tafiditra antsika ao anatin’ny lisitry ny mpisehatra fototra amin’ny […]
Mahatanty haintany: Ahazoana 700 kg/ha ny karazana apemba vaovao
Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny karazana apemba roa vaovao, Mina sy Manana. Valim-pikarohana vitan’ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena (Fofifa). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony (Mesupres), sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity foibe ity. Eo koa ny foibem-pikarohana maneran-tany momba ny apemba, na Global Collaboration […]
« Ampela Online » : Nibata ny laharana voalohany ny Mioty MJ
Lelavola mitentina 5 tapitrisa Ar no nomen’ny Yas Madagascar an-dRamamonjy Nomenjanahary, vehivavy mpitantana ny orinasa Mioty MJ, taorian’ny fifaninanana fandraharahana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela Online”. Miisa dimy izy ireo no nahazo ny fankasitrahana, hoentina manohana ny tetikasany sy hampidi-bola bebe kokoa amin’ny fihariana ataony. Miompana amin’ny […]




