Mois : novembre 2025

TSELATRA

Mpanao sinto-mahery tratran’ny polisy teny Marais-Masay, ny marain’ny alakamisy 20 novambra teo. Vehivavy nanao fanatanjahan-tena maraina no nararaotin’io lehilahy io nosintomina an-keriny ny finday teny aminy. Nikasa handositra ny mpanao ratsy saingy nifanenjehana ka voasambotra. Efa-dahy mpisoloky saron’ny mpitandro filaminana tao Belo/Tsiribihina, ny 21 novambra teo. Nilaza ho manana mena-bato […]

Ranohira : Tratra ireo roa lahy mpivarotra voamaso

Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy tratra nivarotra voamaso tao amin’ny kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, afakomaly. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa misy roa lahy nikasa hivarotra voamason’olona mihaodihaody tao an-tanàna. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy sy nanao ny vela-pandrika […]