Mois : novembre 2025

CATI: Manamafy ny fikarohana hanatsarana ny toekarena

Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny […]

Trafika ana harem-pirenena: Varika miisa 10 saika haondrana any Dubaï

Tambajotra mpanondrana biby arovana, ahitana Malagasy sy vahiny, voasambotra rehefa nikasa hivoaka an’i Madagasikara, nitondra varika miisa 10. Tra-tehaka tao ambany rihana an’ny tranobe iray etsy Ambohimiandra ireo varika miisa 10 nafenina sy nomanina haondrana an-tsokosoko any Dubaï. Sarona taorian’ny fisavana ny trano sy ny vela-pandrika natao ny kaomorianina miisa […]

INDRAY MIJERY

Mbola hita taratra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka ho an’ny afovoan-tany, faritra avaratra andrefana ary morontsiraka afovoany atsinanan’i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Nanentana manokana momba ny fahadiovana sy ny fitondran-tena maha tomponandraikitra ny « Cellule d’engagement civique et environnemental (CECE) » eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, […]

Fampianarana ambony : Fanamby ny hanatanterahana bakalorea madio

Vita ny tombana momba ny fanadinana bakalorea taona 2025 nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe nampiavaka ny Bakalorea 2025 teo ny fampiasana ny “caméra de surveillance” sy ny rafitra fiarovana manokana ho fanaraha-maso ny laza adina. Nahomby ny fiaraha-miasa tamin’ny sampana miady amin’ny “cyber­criminalité” nanenjehana ireo mpivarotra […]

Orinasa Cnapmad : Misy disadisa ny mpitantana sy ny mpiasa

140 ny mpiasa mampihodina ny Cnapmad, foibe mpamokatra fitaovam-pianarana sy boky enti-mampianatra, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny disadisa momba ny fitantanana eo anivon’ity foibe ity mahakasika ny mpiasa sasany sy ny tale jeneraly. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa, Rafilahy Rodin, fa misy ny antsojay mihatra amin’izy ireo. Sady manao […]