Fanafihana mitam-piadiana : Teratany sinoa voatafika sy voaroba

Mirongatra izaitsizy ny fa­nafihana mitam-piadiana ao Toamasina ankehitriny. Tera­tany sinoa iray notafihan’ny jiolahy miisa dimy, tany Tana­makoa parisela 12/14, ny sa­botsy alina hifoha alahady lasa teo. Voaroba tamin’izany, ny vola, ny basy ary ny finday maro. Nihanika tamboho iray mifanila-bodirindrina tamin’ny trano nokendrena, ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo ta­min’ny 2 ora maraina tany ho any. Niditra an-keriny tao an-trano ny efatra tamin’izy ireo, raha nijanona tany ivelany, nijery sy nanara-maso ny zava-nisy ny iray tamin’ireto farany. Efa niomana tamin’ny fiarovan-tena tamin’ny alalan’ny basy teny aminy ilay mpandraharaha lasibatra, vantany vao tafiditra ireo olon-dratsy. Tsy afa-nanoatra ny tenany noho ny hamaroan’ireo mpanafika azy, raha ny loharanom-baovao. Nodaro­han’ireo tsy mataho-tody tamin’ny vodibasy io sinoa io ka naratra mafy teo amin’ny lohany. Nalain’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny sakaosy iray nisy vola, sy ny finday ary ny basy fiarovan-tenan’ilay lasibatra. Lasa ni­tsoaka nandositra avy hatrany ireto jiolahy ireto taorian’ny asa ratsy nataony.
« Efa niantso mpitandro filaminana ireo olona teo amin’ ny manodidina fa saingy tsy nisy nandray izany », hoy ireo olona teo amin’ny manodidina. Nivoaka sy niezaka nanavotra ilay mpandraharaha voatafika ny mpiara-monina. Na­hita izany ireo olon-dratsy ka niezaka nandositra nanaraka ny lalankely akain’ny lakandra­non’ny Pangalanina. Nipoi­tra teny ambony tetezan’ ny hopitaly be ireo jiolahy ireo saingy tsy nisy tratran’ny fokonolona.

Sajo

Partager sur: