« Red Circle » andiany faharoa : Tsy afa-miala amin’ny niomerika ny fitantanana orinasa

Natao ny 20 novambra teo, ny fikaonandohan’ny mpandraharaha ara-toekarena, ny « Red Circle », andiany faharoa. Lohahevitra nodinihina ny hoe, « ny «  Cyber-Résilience », zava-dehibe amin’ny fitantanana maharitra sy mahatsara endrika ny orinasa ».

Nikarakara ny fotoana ny Airtel Business, misa­hana ny fandrahara­hana ao amin’ny orinasa. Ma­nodidina ny 80 ny nandray anjara teny amin’ny Novotel Ivandry. Nambaran’ny tale jeneraly ny Airtel Madaga­sikara, Anne Catherine Tcho­konté, fa tsy safidy intsony ny fampiasana ny teknolojia niomerika « Cyber-Résili­ence », fa andraikitra mivantana tsy maintsy raisin’ny mpitantana ny orinasa. Notsipi­hin’ny mpitantana ny orinasa Entreprise Director, Randria­manana Santatra, fa « nahafahanay manohana ny orinasa amin’ny fampiasana ny niomerika ity fikaondandoha Red Circle ity. Tohana maharitra, vahaolana azo antoka, mifanaraka amin’ ny vanim-potoana ho avy ».
Nodinihina lalina nandritra ny fivoriana ny zava-dehibe amin’ny fitantanana ny ori­nasa, ny fanohizana ny fihariana sy ny fisorohana ny ambana, ka tsy maintsy hitsinjovana mialoha ny mety ho endriky ny fanapotehana sy ny fanimbana ny orinasa amin’ny internety samihafa.

Fisorohana ny ambana
Nahazoana fanazavana maro ny fifampizaran-kevitra sy ny famelabelarana natao nandritra ny fivoriana. Nam­­pa­hatsiahivin-dRamatoa Ran­dria­­manana Santatra, fa « manohana ny orinasa ny Airtel Business, amin’ny fifehezana ny fotodrafitrasa saro-pady sy ny fanamafisana ny fiarovana azy. Mametraka fi­tantanana mafonja sy vina mazava isorohana ny ambana informatika sy ny fahaizana miatrika ny niomerika ».
Nanazava ny lafiny teknika i Sam Jodhun, manam-pahaizana manokana amin’ity sehatra ity. Nanome amin’ny an-tsipiriany ny zava-baovao, ankehitriny, ny ambana vaovao misy, ny fomba tsara mila hatao, mba hiarovana ny fitantanana ny orinasa.
Fikaonandoha atao isaky ny telovolana ny Red Circle, karakarain’ny Airtel Business.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: