Zaza mianadahy (telo taona sy fito volana) hita faty tany an-tanimbary tany Antanambao Antolongo, fokontany Maevatanana, kaominina ambanivohitra Ambodiampana Lokoho, Sambava, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Tsy hita nanomboka ny zoma lasa teo izy mianadahy ary efa nokarohina nanerana ny faritra sy toerana rehetra izy ireo saingy tsy hita. Notohizana hatrany ny fikarohana ary izao hita faty efa nisy nandevina izao ny vatana mangatsiakan’ireo zaza ireo. Taorian’ny fahitana ny tranga, nidina ifotony ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimaria avy ao Maevatanana. Niaraka tamin’ny mpitsabo lehiben’ny CSB-II Ambodiampana Lokoho ary ny lehiben’ny fokontany. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo, novonoina ary avy eo nalevina tao ireo zaza ireo. Nanamafy ihany koa ny mpitandro filamianana fa vono olona niniana atao ity tranga iray ity.
Mitohy ny fanadihadiana, izay sahanin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry Sambava mba hahafatantarana ny olon-dratsy nahavanon-doza.
Mino




