TSELATRA

Lehilahy iray 23 taona, voasambotry ny polisy tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora tolakandro. Voarohirohy nangalatra sy mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy manao fanafi­hana mitam-piadiana izy io. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra lasibatra ny 16 novambra lasa teo, no nahafahana nisambotra azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola 600 000 Ar, finday roa ary karapa­nondro.
Lehilahy namono vady tetsy Manjakary, karohin’ny polisy fatratra. Nandositra ny lehilahy iray avy nanao herisetra tamin’ny vadiny tetsy amin’ny fokontany Man­jakaray, boroboritany fahadimy, ny tolakandron’ny 27 novambra teo. Nifamaly tao amin’ny trano fonenany ny vehivavy iray sy ny lehilahy vadiny. Hasarotam-piaro avy amin’ilay rangahy no nitarika ny fifamaliana. Tsy naha­tsindry fo anefa io lehilahy io ka nanindron’antsy ny vadiny. Nahare ny zava-nisy ireo mponina ao an-toerana ka niantso mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny CSP8.
Vehivavy lehibe iray, niboridana, tratra niditra tao an-tranon’olona tetsy Amparihikambana, Tsiroano­man­didy, ny zoma alina teo. Niditra antsokosoko tao an-tranona mpiambina iray izy. Heverin’ny olona fa mpamosavy izy io saingy nohamafisn’ny havany fa manana olana amin’ny saina, ka antony nahatonga azy nanao izao.
Nahatrarana zava-mahadomelina telo gony tany Toliara II ny alin’ny 29 hifoha 30 novambra lasa teo. Lehi­lahy telo no hita nitondra izany teny anelanelan’ny lalana Andranomena sy Betsinjaka tamin’ny 12 ora alina. Ni­tsoaka ary narian’izy ireo teo ireo gony vantany vao nahita ny polisy izy ireo.

Partager sur: