Asa an-terivozona mandra-pahafaty sy onitra 80 tapitrisa Ar no didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha anenjehana an’i Djailane Abdalah, 23 taona, sy i Zafilahy Fidelis Tsiahoana na i Le Baba, 21 taona.
Niatomboka tamin’ny 9 ora sy 35 minitra ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 12 ora ny fifandaharana teo amin’ny voampanga, ny mpitsara mpamoaka didy sy ny mpanampy azy, ny mpampanoa lalàna ambony ary ny mpisolovavan’ny mpiaro ny voampanga sy ny mpangataka onitra, omaly. Raha tsorina, adiny telo sy sasany be izao ny faharetan’ny fifandaharana. Niezaka nanda ny fiampangana azy izy roa lahy teo anatrehan’ny fitsarana. Rehefa novakina anefa ny antontan-taratasin’ady tany amin’ny famotorana nataon’ny zandary sy teo amin’ny mpitsara mpanao fanadihadiana lalina, niaiky ihany ireto farany. «Teo am-pisotroana toaka izahay ka tsy ampy revy dia nifanehatra tamin’ i Tahina, tonga dia noravanay izy mba hahazoana vola hisotroana. Noho izy niantso vonjy no nahatonga anay nanatsatoka antsy azy, izay tsy noheverinay hahafaty azy akory”, hoy ny iray tamin’ireo voampanga.
Samy nijoro vavolombelona ny sakaizan’izy roa lahy sy ny vadin’i Zafilahy Fidelis teo aloha. Ity farany izay vy nahitana ny fiafenany ka nanome ny toromarika mba hahafahan’ny zandary nisambotra azy. Tsiahivina fa nanaovana vela-pandrika teo Antetezambaro, i Zafilahy, ny 13 marsa 2024, ary tratra tao anaty taksiborosy. Niainga tamin’ny fahasamborana azy indray no nahitana an’i Djailane tao Antsarakofafa.
Raha hiverenana ny raharaha, maty vokatry ny tsatoka antsy nataon’ireto roa lahy ireto Andriamahefa Tahina Nomenjanahary, ny alin’ny 4 marsa 2024, tao Ambolomandinika, raha iny izy hamonjy fodiana iny. Niezaka nitondra ny niharam-boina tany amin’ny Hopitalibe ny fianakaviany saingy tsy tana ny ainy noho ny faverezan-dra be loatra. Samy efa mpamerin-keloka izy roa lahy fa manatombo i Zafilahy Fidelis, izay efa intelo nigadra.
Sajo




