Tapitra ny disadisa. Hidina manomboka amin’ity herinandro ity ny saran’ny internet eto Madagasikara, araka ny fifanarahana nataon’ny minisitera tompon’andraikitra tamin’ireo mpandraharaha efatra.
Nahita vahaolana marimaritra iraisana ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny orinasam-pifandraisan-davitra efatra. “Hifaninanan’ izy ireo, araka izany, ny saran’ny tolotra sy ny kalitao ary ny hafainganam-pandeha. Misongadina ao anatin’izany ny hatsaran’ny tolotra omeny ary ny fandrakofana ny Nosy”, hoy ny minisitra Andriamampiadana Mahefa, omaly, raha nampahafantatra ny vaovao efa nandrasan’ny maro.
Araka izany, ny mpandraharaha no hamaritra ny fahafahany sy ny isan-jaton’ny fhenam-bidy, izay hihatra manomboka amin’ity herinandro ity. Hipetraka ny fifaninanana eo amin’ny orinasam-pifandraisan-davitra. Tsy tokony ho vidiana intsony ny “gigaoctet” izay mavesatra amin’ny mpanjifa fa ny kalitao, ny hafainganam-pandeha ary ny fahamarinan-toerana ny tolotra no hamaritra izany, tahaka ny any amin’ireo firenena mandroso any ivelany. “Mangataka kosa izahay ny hisian’ny fifaninana eo amin’ny fampiasam-bola ampiasainy handrakofana ny internet manerana ny Nosy», hoy hatrany ny minisitra.
Mifandanja
Tokony ho hitan’ny mpanjifa mialoha ny fampidinana ny saran’ny tolotra vao jerena manokana ny momba ny fampidinan-ketra takin’ireo mpandraharaha. Mila jerena, noho izany, ny famatsiam-bola eo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra sy ny fampiasana ny “I1732/63.8 nternet” mba hisian’ny fitoviana amin’ny any ivelany. Zava-dehibe, hoy ny minisitra, ny fampihenana ny vidin’ny hafainganam-pandehan’ny internet. Araka izany, misokatra ny fifaninanana eo amin’ireo mpandraharaha ary tokony hisandrahaka manerana ny Nosy ny tolotra omeny satria efa tafiditra ao anatin’ny filana andavanandron’ny mponina ny fifandraisan-davitra.
Henintsoa




