Harena an-kibon’ny tany : Tsy maintsy manao andraikitra sosialy RSE ny orinasa

Fanamby imasoan’ny mi­nisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mifototra amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fitantanana mirindra sy mangarahara ary indrindra ny hisian’ny tamberin’andraikitra hisitrahan’ny vahoaka, ny mpandraharaha ary ny fanjakana, tombontsoa.
Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tokony any Toliara, tao amin’ny Lapan’ny faritra, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriampa­ra­ny Carl, ny faran’ny herinandro teo. Nohazavaina ny PGE ny fanjakana anaty fohy, antenantenany ary lavitr’ezaka. Nohainoana ny fitarainana sy ny hetahetan’ny mpisehatra. Tanjona ny hanomezan-danja ny fifanakalozan-kevitra nijerena ny mahasoa ny seha-pihariana.
Ankoatra ny fanazavana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany nohavaozina, anisan’ny noresahina ny fanokafana indray ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Tafiditra ao anatin’ny fa­navaozana ihany koa ny fepetra mandidy ny mpandraharaha sy ny orinasa mpitrandraka hametraka Drafitrasa manokana ho Andraikitry ny orinasa ho an’ny fanohanana ara-tsosialy ny mponina eny ifotony, sy ny fikajiana ny tontolo iainana (PRSE).
Tamin’ny taona 2010 no na­moaka fahazoan-dalana fa­rany (fikarohana, fitrandrahana, …) ny fanjakana. Efa misy mihatra ny ampahany sasany amin’ny Sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany, nohavaozina ny taona 2023.

Njaka A.

Partager sur: