Nilatsaham-potaka : Mpivady niara-namoy ny ainy

Namoy ny ainy ny mpivady nilatsaham-potaka teny amin’ny lalana mihazo ny trano fonenany ao Maharidaza, kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nandeha an-tongotra izy telo mianaka. Ankizilahy 15 taona ny zanak’izy mivady izay niara-dalana tamin’izy ireo. Nanora-nikija ny andro saingy nanohy ny dia hatrany izy telo mianaka. Nirefotra tampoka ny varatra. Nilatsaham-potoka avokoa izy ireo. Voa mafy ny raim-pianakaviana ary lasibatra koa ny vadiny sy ny zanany lahy. Tsy tana ny ain’izy mivady fa maty teo no ho eo. May teo amin’ny tratrany ilay renim-pianakaviana ary rovitra ny akanjo teny an-kodiny. Nifamonjen’ny fokonolona nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay ankizilahy. Avotra soa aman-tsara ity farany. Marihina, olona miisa valo namoy ny ainy nilatsaham-potaka tamin’ny toerana samihafa tao anatin’ny herinandro.

Tsiferana R.

Partager sur: