Toekarena : Mpiara-miombon’antoka ny Bad sy ny FMI

Vonona hanohana ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena hatrany ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nohamafisin’ny solontena maharitry ny Bad, Adam Amoumoun, tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, izany ny zoma teo, tetsy Antaninarenina. Nilaza izy fa manohana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy izy ireo. Ao anatin’izay ny sehatry ny angovo, ny fambolena, fiompiana, ny fahaiza-mitantana, ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fifehezana ny loza voajanahary na tsia.
Ankilany, nifantoka tamin’ny fandaharanasa Fec sy FRD ny dinika niarahan’ny minisitra sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Andrasana ny volana janoary 2026 ny iraka ara-teknika hijery ny fiaraha-miasa mba hifanindry an-dalana amin’ny Fandaharana ankapoben’ny fanjakana ireo sehatrasa rehetra. Marihina fa hotanterahina tsy ho ela ny fihaonambem-pirenena ara-toekarena handraisana ny soso-kevitry ny rehetra sy handrafetana ny drafi-pampandrosoana enti-manarina sy manatsara ny toekarem-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: