Nikatona vonjimaika ny orinasa QMM Taolagnaro, nanomboka ny 1 desambra 2025 teo, hatramin’ny 5 janoary 2026. Mikatona ihany koa ny birao eto Antananarivo. Noraisina ity fepetra ity hanamafisana ny faharetan’ny asa sy hiarovana ny hoavy. Tafiditra ao anatin’ity paikady ity ny hifehezana ny fandaniana, mba ho orinasa maharitra sy mahomby, sady mahatanteraka ny adidy hampandrosoana ny faritra sy ny asa tohananan’ny orinasa ara-tsosialy (RSE).
Miisa 24 ny tantsaha niofana hiompy trondro tany Ranohira, faritra Ihorombe, ny 26 novambra teo. Nianatra mahakasika ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fanamboarana dobon-trondro, ny famokarana zana-trondro karpa sy tilapia ary ny sakafon-trondro izy ireo. Ho an’ny faritra Boeny, nizarana trondro miisa 15 000 ny mpiompy any amin’ny distrika 4 (Mahajanga II, Mitsinjo, Ambato Boeny, Marovoay), ny 27 novambra teo.
Nifanakalo hevitra tamin’ny tantsaha mpamboly vary an-tanety sy ny mpamokatra masomboly any Tsiroanomandidy, ny tale jeneralin’ny Fambolena, Rakotoarijaona Narindra, ny 28 novambra teo. Notsidihina koa ny tranohevan’ny Kaoperativa misehatra amin’ny katsaka. Mahatratra 300 ha ny fanajariana tany hambolena katsaka, hanomboka amin’ity desambra ity.




